Marary ny aina tsy eo ianao Nihafy aho, niharitra hatrany Nafeniko ao anatiko ao mba ho ahy irery ihany Tsy tanty ilay hoe tsisy anao Na hiambo ary tsy haneho ny tomany Tsy eken'ny saina anefa ny hiaina tsy hilaza an'izany Te hiantso ny anaranao Ary antenaiko fa mbola hiaino ahy ianao Androany aho mba hamela ity foko hanambara Tsy aritro intsony Tsy andriko ny hahita anao Nanahy aho Ka aleoko hijery ny any afara TIAKO IANAO, tsy hiova, tsy hanary anao M m m m m Ekeko fa variana ihany aho Indraindray toa tsy heno hatrany Iriko mba ho tsapanao fa mandalo ihany izany Hinoako anefa indray andro any Ny hahita azy tsy anaty tomany Ho fihiniko ary hanao izay mety aho Ho azy irery ihany Te hiantso ny anaranao Ary antenaiko fa mbola hiaino ahy ianao Androany aho mba hamela ity foko hanambara Tsy aritro intsony Tsy andriko ny hahita anao Nanahy aho Ka aleoko hijery ny any afara TIAKO IANAO, tsy hiova, tsy hanary anao